Ny tontolon’ny asam-panjakana Malagasy
Fony vao niditra niasa kelikely tamin’ny orinasa iasako ankehitriny aho (orinasam-panjakana) dia nahita fomba fiasa sy fanao tsy mety (tsy mifanaraka amin’izay tokony hampandeha tsara ny asa). Zava-poana anefa ilay eritreritro hanatsara zavatra satria sady tsy nety natoro, no tsy nety nanitsy tena ity lehibeko.  Taty aoriana dia zendana aho nahalala fa ity izaho nandalo ny Anjerimanontolo anie ka baikon’ny olona tsy manana afa-tsy CEPE (ilay cadre ambony mibaiko ahy).  Vitany mihitsy aza taty aoriana ny niteny fa tsy ilaina izay fianarana, fa izy jerena, tsy manana afa-tsy CEPE nefa sefo. Koa hahagaga ary ve raha tsy mandeha amin’izay tokony ho izy sy araka izay andrandraina ny asam-panjakana e? Jereo anie ireto tarehi-marika ireto e:
Nivoaka ihany ny marina tamin’ny gazety iray novakiako androany (MADAGASCARA Laza N°1087 – 11 juillet 2008, fa ny 50% amin’ny mpiasam-panjakana dia tsy manana ny maripahaizana (diplome requis) amin’ny toerana omena iandraiketany.
Raha toerana ilana maripahaizana Maitrise no mihoatra, dia 69% amin’ireo mitana izany no ambany lavitra noho izany no dingana vitany teo amin’ny fianarana.
Raha asa ilana maripahaizana BACC dia 33,8% amin’izay mitana izany andraikitra izany no tsy manana ny maripahaizana tokony hitazonana ny toerana
Raha toerana ilana BEPC farafaharatsiny, dia 51% amin’ireo mitana izany toerana izany no tsy manana io maripahaizana io.
Raha toerana ilana CEPE dia 47% amin’ireo olona miandraikitra ny asa ilana izany no tsy manana maripahaizana mihitsy mifandraika amin’io.
Ekena tokoa fa misy ny olona tsy manana ilay maripahaizana, nefa rehefa miezaka sy mamola-tena eo mandritry ny fotoana ela dia tonga mahafehy tsara ny asany, raha ny mifanohitra amin’izany kosa no ankamaroan’ny tranga hita.
Ireo antontan’isa ireo dia nalaina avy amin’izay naroson’ny Fonction Publique (Asam-panjakana)
Andanin’izany anefa dia betsaka ireo olona manana maripahaizana ambony no lasa mitondra Taxi, Taxi-be, na mirotsaka amin’ny sehatra hafa tanteraka, tsy liana afa-tsy ny maripahaizana farany ambany mihitsy noho ny tsy fahitana toerana. Hay va re ka ny toerana tokony ho azy ireny sy tokony hitondrany fampandrosoana ho an’ny firenena ka dia dongian’ny sasany tsy alehany akory. Aza mahavoa ny goavy manta!
Tsy mahagaga araka izany raha mahazo vahana koa ny kolikoly satria , ny tsy mahay tsy maintsy manambitamby ny mahay mba hampandeha ilay asany, sao rakatra eo ny fika rehetra, dia mitohy hatrany toy izay ilay ‘chaine’ mandra-pahavitan’ny zavatra ho tody hatramin’ny farany.
Mba rahoviana re no hahitantsika mpiasam-panjakana mendrika, marina, mahavita azy sy matihanina amin’ny asany eto Madagasikara e? Sady tsy tohatohanana sy apetrapetrak’i dadatoa sy nenitoa etsy sy eroa fotsiny ?
Vita soa aman-tsara tanaty ambiance familiale ny fanolorana loka avy amin'ny FOKO Blog Club, natao teny amin'ny URBAN CAFE teny Ampasanisadoda. Nanatrika ny fihaonana teny i Tosoa, Glou (filoha mpitarika ny Namana Serasera Dago), Blanche007 (Namana Serasera Dago), Rmstephy (Namana Serasera Dago sady mpitoraka blaogy zandriny ao amin'ny Foko), Patie (Foko), Tantely (Foko), Stephane (Foko) SIPAGASY (nisolo tena ireo namana any am-pita), vazaha vitsivitsy tsy fantatro anarana, Ravatorano (zokibe ao amin'ny Namana Serasera Dago), Nombana (Foko), mpanao gazety avy ao amin'ny Les Nouvelles.
Isaorana anareo mianakavy nikarakara ny zavatra toy ireny (mivantana manokana ho an'i Jogany, Lova, Mialy, Harinjaka, Sipagasy - ary ialàna tsiny raha misy tsy voatanisa), ary isaorana eto koa ny Namana Serasera Dago izay loharano nipoiran'ny tena rahateo. Samia ho tahian'Andriamanitra ary haharitra ela eto amin'ity sehatry ny fitorahana blaogy ity. Izay sehatra ahafahana miteny malalaka tsy misy sivana (Ny tenanao ihany no mpanivana mantsy e!).
Tsy ho fatatrao mihitsy aloha raha i RAKOTONIRAINY Jen Richard e! Tsy olo-malaza izy fa olona tsotra toa ahy sy ianao ihany, nefa indro atolotro anao eto ny tantaran’ity lehilahy mahantra iray ity, rehefa avy niandrasana fotoana maharitra ihany vao tapaka ny hevitra fa havoaka.
Mpiavy avy any Ambalavao i RAKOTONIRAINY Jean Richard. Hitady ravinahitra no nahatongavany teto Iarivo. Mianadahy izy ireo no zanaky ny raiamandreniny. Nanambady teto ny anabaviny ary efa nodimandry. Ny reniny koa  sisa no velona any amin’ireo nahitany masoandro. Rehefa tonga teto Iarivo ny anao lahy dia nahita  asa tokoa. Ireny manaraka kamiao miaraka amin’ny patirao be ireny.
Nandeha tsara ihany ny fiainana raha mbola ao ny tanjaka sy ny hery, ary indrindra indrindra fa ny fahasalamana. Hitan’ny olona  sy fiantsoantso koa  satria mbola nisy natoraka.
Nandeha anefa ny andro sy ny taona. Feno 40 taona mahery kely i Richard. Tsy manambady, tsy manna-janaka koa. Nitranga ny tsy nampoizina. Narary izy. Ary ny vavoniny no tena voa mafy. Asa na noho ny sakafo tsizarizary, na aretina efa ho avy fotsiny izao. Tany Talatavolonondry tany no nisy ny mpampiasa an’i Richard. Rehefa  nandoa rà i Richard dia naterin’ity mpampiasa azy (avy eny Talatavolonondry) ho eny amin’ny HJRA Ampefiloha.
Na dia nandefasana taratasy aza ny vadin’ny anabaviny, hany havany teto Iarivo, dia nanempoka tsy nipoitra mihitsy, araka ny filazany hatrany.
Ny andro voalohany nanateran’ireto mpampiasa azy teny amin’ny hopitaly ihany koa no nahitan’i Richard farany ireto mpampiasa azy. Taorian’io dia tsy hita nielingelina intsony  ireto farany, na dia ny hanontany ny fahasalamany fotsiny aza.. Lany tokoa va re ny mamy nandrasany tamin’ity olo-mahantra? Asa!
Tao amin’ny chambre N°4, 1ère étage tao amin’ny HJRA no nisy azy. Rehefa hitan’ireo mpiray efitrano taminy fa tsy nisy mpitsidika sy mpamangy mihitsy i Richard, dia izy ireo no namahana azy (mandra-paha…) sy nanampy koa tamin’ny resaka fanafody. Mba olona manana fahafaha-manao ihany mantsy ireto olona (avy any Tsiroanomandidy, araka ny filazan’i Richard azy). Tena antra olona tokoa, hoy ihany izy.
Vita ihany anefa ny fitsaboana ny havan’ireo Samaritana tsara fanahy, ka tsy maintsy handao an’i Richard mahantra sy ny aretiny tsy misy mpijery izy ireo. Namela izay azony navela ho an’ity olo-mahantra ihany anefa ireto fianakaviana talohan’ny tena handehanany. Ary natorony hevitra koa aza i Richard mba hanatona an-dry Masera tao amin’ity hôpitaly ity. Nandeha tany ,hono, izy nefa nilaza tamin'i Richard fa tsy afaka hanampy azy, hono, ireto Masera tao.
Làlana hafa indray no natoron’ny olona azy, dia ny hankanesany eny amin’ireo Frera mpanao asa soa ao Tsiazotafo. Niera tao amin’ny tompon’andraikitry ny hôpitaly ary i Richard mba ho afaka hivoaka hitady izay fanafody ilainy sy ny ho sakafony. Efa am-bolana i Richard no tsy nisolo akanjo. Mazava ho azy fa tsy maintsy hamofona.. Io andro nivoahan’i Richard hitady fanampiana io no nitondra azy teo ambavahadinay sy nahafantarako koa ny tantarany...
...Tonga teny Tsiazotafo tokoa izy iny andro iny, saingy tsy nisy azon’ireo olona tao natao satria,hono, tsy eto an-toerana fa any an-dafin’ny ranomasina ilay Frera direktera. Ora vitsy ihany anefa no nomen’ny hôpitaly an’i Richard hivoahana, fa tsy maintsy miverina miditra eny izy avy eo.
Very hevitra ilay mahantra, ary dia nanomboka nitsiry tao an-tsainy ny tsy hanana henatra intsony handona izay varavarana sendra azy. Rehefa avy nandona tsy nahazo rariny tany an-kafa àry izy, dia tonga teto am-bavahady.
Somary nànana fisainana hafahafa momba ity olona ihany aho tany ampiandohan’ny resakay (efa voa mantsy aho tany aloha), saingy rehefa nihaino lalina teo sy nangatahako ny taratasim-panafody ary ny taratasy momba ny aretiny izy, dia resy lahatra ihany fa olona tsy mamitaka ity manoloana ahy.
Rehefa ela niresahana teo izahay mirahalahy, dia nomenay fanampiana izy avy ary nadikako ny momba azy tao anatin’ilay taratasy teny amin’ny hôpitaly, ny laharan’ny efitrano misy azy, sns….Rehefa malalaka izahay, hoy aho, dia ho avy hijery anao eny amin’ny hôpitaly. Andro vitsy talohan’ny pentekôty tamin’izay (08-05-2008).
Andro maromaro aho no tsy teto an-toerana fa tany Ambohimanambola tany. Alina vao miditra ny trano isan’andro. Tsy afaka akory nanatanteraka ilay teny nomeko an’i Richard.
Hay ka niandry izay mba handalovako tokoa ilay olo-mahantra.
…Tonga teto am-bavahadiko i Richard omaly tamin’ny dimy ora hariva.
Hoy izy:
“Tonga aho, ry izy mivady, hanao veloma anareo sy hisaotra tamin’ny fanampiana efa  nataonareo. Niandry aho fa angamba sahirana ianao, ramose, ka tsy nandalo. Fa noho izaho efa tsy ao amin’ny hôpitaly intsony dia nandalo aty aho hilaza fa nahita kamiao hitondra ahy hody any amin’i Neny any Ambalavao. Tsy miantoka afa-tsy fitaterana anefa ry zareo, tsy ampandoaviny saran-dalana aho, fa ny vatsy eny an-dalana sy ny izay mety ho ilaiko dia tsy maintsy izaho no nasainy mitady. Faly be aho, ry zareo fa hody. Tsy salama aho, nefa raha ho faty ihany dia aleoko ho akaikin’ny fianakaviako. Koa fiangaviana farany ataoko aminareo dia mba vonjeo lamba fitafy raha misy sy akanjo hisoloako fa tena masiso mampandositra olona aho”.
Nomena lobaka, pataloha, akanjo amboniny ary vola izy teto…..Raha nanatrika teo nahita azy sy naheno ny fisaontsaorana saiky tsy nitsahatra ianao dia ho vaky fo. Ny maso nanganohano nafeniko azy no nentiko koa nandositra ny tavany tamin'ny fotoana farany nisarahanay.
Menatra, tena menatra anefa aho satria tsy afaka namangy sy nitsidika azy teny amin’ny toeram-pitsaboana akory, nefa koa tsy afaka nanoatra satria resaka asa no tsy maintsy natrehiko taorian’ny pentekôty.
….Omaly alina tamin’ny valo ora no nainga hanao lava alina hitodi-doha ho an’ny amin’ny reniny any Ambalavao i RAKOTONIAINA Jean Richard.  Faly tokoa ny lehilahy na dia nakentron’ny aretina mafy tokoa aza. Na ny miteny aza nila tsy no vitany intsony. Mikentrona sy manao ezaka mafy rehefa izy te-hiresaka.
…Talohan’ny tena nisarahanay telo mianadahy sy nifanaovana veloma, dia natolotra an’i Richard ny laharan’ny finday mba hiantsoany rehefa tonga soa aman-tsara any Ambalavao ny tenany.
“Rahampisto amin’ny roa eo, ramose, no lazai’ny mpamily fa tokony ho tonga any izahay. Raha vao tonga aho dia hitady telefona hiantso anareo”
Tongava soa  any an-tanindrazanao ianao, Richard.
Miandry izay antsony sisa no ataonay aty Antananarivo.
Tsy natao hamendrofendro anao ity tantara ity, nefa koa mino aho fa mba nitondra fihetseham-po, na dia kely monja ihany aza, tao anatinao. Manentana anao aho, hanao izay azonao atao amin'ny olona mila izany, toy ity tranga iray faharoa omeko anao ity. Ampio i Kamba kely
Fahatsiarovana
60 taona no lasa
ka avia ary dia mba tsahivo
tamin'zany no kila sy may
'lay lapan'Antananarivo
Ory ny fon'ny vahoaka
nahita ireo dona-tsetroka.
Any anatiny mangorohoro
te-hitroatra ary koa sempontsempotra.
Vetsovetson'ny fo tamin'izany,
ny sisa mba reko tety
hoe rahoviana vao mba hisy indray
ny ho solon'ity lapa ity?
Kinanjo fe ankehitrirny
tsy nisy izay nanelingelina
nijoro ilay Andrin'Iarivo
nitsangana ilay RAJOELINA.
Nampian'ireo mpanolotsaina
mitafy ny fanantenàna
hanorina iray vaovao
ho lapan'izato tanana.
Dia lapan'ny tanàna mijoro,
voakaly sy manara-penitra,
manaraka ny toetr'andro
no tsara tarehy sady mendrika.
Ny asa rehetra avy eo
dia ho fanasoavam-bahoaka
mitana ny marina hatrany
ho lavitr'izay ampamoaka.
Dia lapan-tanàna hanehoana
ny marina miharihary
ka ny fomba fiasa himasoana
dia ny asa fa tsy mba kabary.
'ty toerana hasiana azy indray
no aoka hasiam-pitenenana
fa tena kianja mitandro
an'ilay fandriam-pahalemana.
Tsy kianjan'ny ramatahora
na fidinana an-dalambe,
fa kianjan'ny fifankatiavana
ary izany no hatao rehareha.
Dia kianjan'ny firaisankina
ekena tsy misy fandàvana
satria Malagasy miray
tsy misy mifanavangavana.
Ka raha 13'ny mey
no lavenona ilay teo aloha
dia ny 17'ny mey
no hajoro eto ilay faharoa.
Ka ny dinan'ny mpifankatia
no dina hifanaovana anio,
tsy ho fihatsaram-belatsihy
fa ekena amin'ny fo madio.
Ny tanjona hany tratrarina,
no sady hiaraha-mitazana,
dia ny hasin'Antananarivo
renivohitr'ity tanindrazana.
Andriamanitra Ray ao ambony
anie hitahy an'ity fikasàna
hamita ary koa hampijoro
ny lapan'izato tanàna
Nosoratan'i RADO (georges ANDRIAMANANTENA), ary novakiana imasom-bahoaka teo amin'ny kianjan'ny 13 mey nandritra ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny vatofehizoron'ny Lapan'ny Tanànan'Antananarivo hajoro manombokoa ny ampitson'io, mba ho solon'ilay efa may, 36 lasa izay
Natao androany 17 mey 2008 teo amin'ny kianja malazan'ny 13 mai ny fametrahana tamin'ny fomba ofisialy ny vatofehizoron'ny lapan'ny tananan'Antananarivo vaovao. Tsy nahasakana ny olona ny erikerika vao maraina fa tamin'ny valo ora dia efa feno olona Analakely. Tonga teny kosa ny Ben'ny tanana tamin'ny folo ora katroka. Tonga teny koa ny solontenan'ny vatican (Augistin K.),ny tahirim-bola iraisam-pirenena, ny banky iraisam-pirenena sy ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena samihafa. Ny solontena vahiny miasa sy monina eto amintsika, masoivoho vahiny toy ny avy any amin'ny vondrona eropeana, Frantsa, senegal, allemagne, ny fiaraha-monim-pirenena, RAJEMISN rakotomaharo filoha lefitry ny Antenimieran-doholona, ny solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo renivohitra, sy filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Mamy Rakotoarivelo.
Banga kosa ny toerana natokana ho an'ny mpikambana ao amin'ny gouvernemanta.
Maro koa ireo mpanao gazety vahiny tonga nanatrika ny fotoana.
Tsy nisy tonga kosa na i Guy Willy Razanamasy,na Marc Ravalomanana,na Patrick Ramiaramanana izay efa samy Ben'ny tanana nitondra ity tanana ity
Ny endrika ivelany dia ezahana tsy dia hiova firy na dia nasiana fanatsarana ihany aza, fa ny ao anatiny kosa dia hiova. (Hitanao ao amin'ny Flickr Avylavitra ireo sombin-tsary teny an-toerana). Nosorohana tamin'ny ampahany lehibe ihany ny zaridaina ary navela amin'ny toerany kosa ny trano fivoahana. Misy fampirantiana ny tantara eo an-toerana ary nolazain'ny tompon'andraikitra fa andro vitsy ihany no mety hipetrahan'izany eo mba ho fisorohana ny hetraketraky ny mpanimba. Ilay sary lehibe miantona ery ambony kosa dia tsy hiala intsony fa ho tazanin'ny mpandalo eo maraina sy hariva
Feno olona nanodidina ny kianja, ary notapahana ireo lalana rehetra miditra eo amin'ny araben'ny fahaleovan-tena mandra-pahatapitry ny lanonana.
Toy izao ny lahatenin'ireo vitsivitsy nandray fitenenana. Marihana fa ny Talen'ny kabinetran'ny Ben'ny tanana no nandray an-tanana ny fandaharam-potoana teny an-kianja, nampian-dRamatoa Maholy
Fidy Ratsimbazafy, filohan'ny Faritra no nisolo tena ny fitondrana: "...Antananarivo no lahimatoan'i Madagasikara, koa tsy maintsy hataontsika rehetra ho vaindohan-draharaha ny fikarakarana sy fanatsarana izany tanana izany. Koa matokia ianareo fa ny fitondram-panjakana dia eo anilanareo mandrakariva ary mpiara-miombon'antoka amin'izany fampandrosoana ny tanana izany. Ny soa fianatra, koa tokony ho fianarana ho an'ny hafa izao ezaky ny tanan'Antananarivo izao ho fanarenana ny vakoka nentin-drazana, sy ny soatoavina Malagasy. Manolotra fisaorana manokana ho an'ireo angady nananana sy vy nahitana ny ho enti-manana izao asa fanarenana izao."
Fihavanana, firaisan-kina ary fitiavana io no teny filamatra entin'ny Ben'ny tanana manorina izao asa izao. Efa azo ampiasaina avy hatrany ny 50 isan-jato amin'ny vola nomen'ireo mpiara-miombon'antoka hoy izy, izay tsy iza fa ny tanana'Antananarivo Renivohitra, ireo mpanampy avy any ivelany ary ny fitondram-panjakana izay nanome vola ihany koa ho fanampiana amin'ny fanatanterahana azy.
Hoy ny Ben'ny tanana fahafito mitondra ny tananan'Antananarivo,
Andriamatoa Andry RAJOELINA: " Miara-manoratra ny tantara isika rehetra ankehitriny, Foto-kevitra telo no entina hanorenana ny vatofehizoron'ny asa izay ho tanterahantsika dia ny "fihavanana, ny firaisankina ary ny fitiavana. Ny fihavanana dia milaza fa iray ihany isika: firaisankina satria hanao soroka miara-milanja ary tongotra miara-mamindra ary Fitiavana satria io no fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra nomena antsika olombelona. Ho porofoina fa isika miaraka dia hery lehibe. Tombony ho antsika izany. Ny lapa tokoa mantsy no maha-tanana, ka tokony homen-danja ny renivohitr'i Madagasikara, ho reharehan'Antananarivo ary ho lova hapetraka ho an'ny taranaka fara mandimby. Koa vonona sy resy lahatra aho ary hampiasa ny fahaizako sy ny heriko manontolo mba hanatsarana sy hampandrosoana ity tananatsika ity ho Antananarivo maoderina. Antananarivo maoderina, tanana mifototra sy mijoro amin'ny fahendrena Malagasy. Miara-miasa ny mponina rehetra mba hivelarany, ary hisokatra amin'ny hafa ihany koa mba hahafahana manatratra ny tanjona.
Fanombohana ihany io hoy ny ben'ny tanana Andry RAJOELINA fa mbola be ny ho avy, izay tsy voatery (tsy tsara) ny holazaina dieny izao.
Nanentana moa ny Ben'ny tanana ny amin'ny tokony hiovan'ny teo-tsaina mba tsy ho faly manimba zavatra lava izao. Ka ho lany andro amin'ny fanarenana foana.
Hoy kosa ny Rev. Pasteur Andriamanjato Richard (ben'ny tanana taloha) :
...nisy trano lehibe teto ivoho teto dia taty amin'ny lafiny avaratra nisy ny birao nantsoina hoe ny prezidan'ny antenimieran'ny tananan'Antananarivo dia ny tenanay izany, taty tamin'ny lafiny atsimo nisy ny biraon'ny antsoina hoe delege general du gouvernement izay napetraka hitantana ny fanatanterahana ny asa tato amin'ny tananan'Antananarivo araka ny rafitra izay natao tamin'ny repoblika voalohany. Tsy hitanisa ireo samihafa nitranga aho, fa ny tian-ko tsiahivina fotsiny etoana eto anoloanareo besinimaro mponina eto amin'ity faritra ity, eto Antananarivo, sy isika rehetra izay miandraikitra ny fandehan'ny tantaran'ny firenena, na aiza na aiza misy antsika ary na inona na inona toerana izay sahanintsika indrindra indrindra fa eo amin'ny fiandraiketana ny firenena izany, ho antsika rehetra dia hoe, izay tiako hampahatsiahivina fotsiny dia ny hoe, izany lapan'ny tananan'Antananarivo izany dia vavolombelon'ny dingana maro samihafa natao amin'ity tanana ity...may tao ny boky volamena izay isan'ny rakitry ny tantara sarobidin'ny tanana sy ny firenena satria tao no fametrahan'ireo olo-malaza ny soniany rehefa nandalo teto Madagasikara izy ireny. Isan'izany ny Jeneraly DE Gaules izay indroa nanoratra tao.
Hoy indray RASAMISON Odette L (mpiatantsoratra farany talohan'ny fahamaizan'ny lapa taloha) :
" mpitantsoratra tranainy tao amin'ny lapan'ny tanana tamin'izany fotoana izany, teo am-perinasa no naheno ny tabataba sy ny horakoraka taty ivelany. Niaraka tamin'ireo mpisora-panambadiana maromaro tamin'izany fotoana izany. Taitra aho tamin'izany ary nitsidika teo am-baravarankely. Nahita tsara tamin'izany fotoana izany ny ra latsaka, ny tapa-tongotra, ny maty. Nitsipatsipaka toy ny valala ireo taranaka nentina nangataka ny zony..izany no valin'ny fangatahany. Kanefa tamin'izany tsy nisy mbola afaka nanome izany valinteny izany fa dia mbola niahotrahotra teo daholo ry zareo. Nandritr'izay fotoana izay anefa an! nihorakoraka ny ankizy. ny FRS kosa tamin'izany teny an-davarangana miaraka amin'ny lacrymogenes, basy....Ireo taranaka dia tsy nisy afa-tsy tanam-polo teny an-tanany"
Rehefa vita ny fisaorana sy fandraisan-tanana ireo vahiny manan-kaja sy solotenan'ireo masoivoho vahiny dia nidina nandray tanana ireo vahoaka marobe nanamorona sy nanodidina ny sehatra ny Ben'ny tanana Andry RAJOELINA.
Isan'ny nasaina sy nanome voninahitra ity fotoana ity ny zanak'Itompokolahy RAKOTONIRINA Stanislas, Ben'ny tanana voalohany indrindra teto Antananarivo, dia Andriamatoa RAKOTONIRINA Adrien izany.
Tsara ny manamarika fa rahampitso 18 mey 2008 dia hanomboka avy hatrany ny fanarenana ity lapan'ny tananan'Antananarivo ity. Haharitra roa taona ny asa fanamboarana ka mpanao tao-trano avy any ivelany (izany PARDON izany no hiandraikitra azy) miaraka amin'i Mamy RAJAOBELINA. Mitentina 12 milliars de FMG ny vola novinavinaina ho lany amin'izany
Vakio ato na ato ny tononkalo nentin'i RADO nanamarika iny fotoana iny
Izaho izay miantso dia manan-janaka roa manovo fahalalana ao amin'ny CEG Antanimena.
Tamin'ny 30 avril dia nalefa hiala sasatra ireo mpianatra ary hiditra amin'ny 13 mai
Misy anefa ny kilasy hanao adina ara-panatanjahantena BEPC amin'ny talata 13 mai Isan'izany ny zanako.
Talohan'ny nivoahan'ireo mpianatra ireo hiala sasatra anefa dia tsy nisy fanamarihana na dia kely aza nataon'ny tompon'andraikitry ny sekoly momba ny resaka fiantsoana hanao adina ara-panatanjahantena ho an'ny kilasy hiatrika izany
Noho izany dia tsy naheno hoe tokony haka fiantsoana any an-tsekoly ary hamonjy eny Mahamasina amin'ny 7h30 maraina ny maro raha tsy ny namany mpanao cours FRAM ao amin'ny CEG no niantso tél azy.
Ny zanako aloha dia tsy isan'ireo manao ilay cours FRAM.  Ary mazava ho azy fa tsy nahalala velively raha ny sekoly no nantenaina.
Niantso raiamandreny hafa aho nanontany ary dia tahaka izay koa no fomba nahalalan-janany fa tokony haka ny fiantsoana hanao adina ara-panatanjahantena any an-tsekoly ny tenany. Marihako eto fa raiamandrenina mpianatra amina kilasy hafa mihitsy no nifampiresahako fa tsy hoe ankizy iray kilasy amin'ny zanako akory
Ireo ankizy avy eo no nifampiantso sy nifampizara vaovao amin'ny telefona
Tao aza ireo nandehanan'ireo namany tsara sitrapo tany an-tokantranon-draiamandreniny mihitsy mba hilazany hoe alaivo ny convocation'ialahy na ny an-dry fa ny anay efa azo fa amin'ny talata anie ny Gymn e!
tsy ny rehetra tokoa mantsy no hanana telefona any antokantrano, na finday.  Ary tsy ny ankizy rehetra koa no hanana namana manao cours FRAM mba hampita vaovao aminy.
Isaorana eto ny fandraisana andraikitra sahady nataon'ireny mpianatra mitsinjo ny sasany ireny Fa mba aiza ho aiza amin'izany ny fahatsiarovan-tena sy fandraisana andraikitry ny sekoly, raha sanatria ka tsy mahatratra ara-potoana ny adina ny mpianatra noho ny nataon'izy ireo?
Tsy fantatro aloha hatreto hoe avy aiza no nisy ny tsy fahaizana nandray ny andraikitra ara-potoana  tany amin'ny fari-piadidiam-pampianarana ve sa tao amin'ny CEG Antanimena mihitsy  izahay moa izany dia efa matetika mihitsy no mitondra fanamarihana ao an-tsekoly  momba ny fikorontanana eo amin'ny lafiny fandaminana toy izao e! Nandritry ny 4 ans. Betsaka noho izany ny ankizy no mety tsy hahafantatra akory hoe tokony haka fiantsoana. Ary ny tena loza dia raha nisy lasa niala kely ny renivohitra ireny ankizy ireny ary tsy mihevitra ny hiverina raha tsy vita ny alatsinainin'ny Pentekoty
Miantso anareo mpianatra aho noho izany mba hifampilaza fa sao voa mafy ny namantsika
ITY HAFATRA ITY DIA DIKA MITOVY NY HAFATRA NIFAMPIRESAHAKO TAMIN'NY RADIO DON BOSCO TAMIN'NY 08-mai-2008 (antso an-tarobia tamin'ny 6 ora maraina).
Nilaza ny hanao recoupement moa ilay nandray ny antso fa mbola manomana vaovao, hono, ary avy eo dia hiantso ahy amin'ny valo ora.  TSY NIANTSO ANEFA IZY HATRAMIN'IZAO. TSY HAIKO IZAY ANTONY.
KOA HO ANAO MAMAKY AZY, AMPITAMPITAO LAVITRA AZAFADY MBA TSY HAHAFATY NY HAVANA SY NAMANTSIKA
Natao maimaika loatra ny fametrahana ny rafitra fitsinjarana fahefana teto Madagasikara.
Mbola be no tsy mahalala ny fivadihan'ny faritany teo aloha ho fari-piadidiana. Izany hoe foana araka ny lalam-panorenana ny fisiany.
Ny teo aloha aza mbola tsy voafehin'ny sarambabem-bahoaka tsara dia efa ampidirina ny manaraka, ary dia toy izany hatrany. Tsy mba toy izay hita tany Eropa fony ry zareo hametraka ny fari-bola Euro, na ny momba ny espace Shengen. Efa nanomanana ela ny sain'ny olona ny amin'izany.
Ny eto Madagasikara indray kosa dia miova arakaraky ny mpitondra ny tany sy ny fanjakana ny rivotra iainana sy ny lokon'ny lanitra lolohavin'ny ambanilanitra.
Nolalovana teto ny resaka faritany, nodimbiasan'ny faritany mizakatena, niverenan'ny hoe faritany , ary ankehitriny dia ny hoe faritra indray no malaza.
Very andro mitady ny very foana ny Malagasy. Tsy hainy intsony ny hoe iza,inona, nahoana, sy ny sisa. Tsy mbola hita sy hay izay rafitra tena mahametimety ny mpitondra tsirairay mahazo toerana eo, isak'izay misy fiovan'ny mpitondra fanjakana.
Tafiditra amin'io resaka io koa ry zareo mpampianatra, satria mbola maro no sahirana mamantatra ny hoe taranja hatraiza ary inona marina no tena atao ao anatin'ilay LMD? Inona no atao ao amin'ny Licence? Inona indray ao amin'ny Doctorat? Toy izay koa ny ao amin'ny Maîtrise. Koa raha izy mpampianatra aza fanina, dia mba ahoana ny mpianatra sy ny raiamandreny?
Tsy milaza akory ny mpanoratra eto  hoe ratsy ny LMD an! Fa ny fahitana fotsiny hoe toa rehefa maheno ny rehetra miresaka eny rehetra eny ianao, dia zavatra tsy mbola vonona sy tsy voalanjalanja tsara ity tian-ko masaka sahady toy ny voalobo-jaza ity. Anisan'ny antony aroson'ireo mpampianatra moa ny tsy mbola fifanindran-dalan'ity rafitra Malagasy ity amin'ny fandaharam-pampianarana any ivelany any, ka ho lasa olana goavana ho an'ireo mpianatra Malagasy mandeha miondrana any ivelany aoriana kely ao.
Izao indray koa moa dia nanamafy ny Minisitra vaovao (RALAMBOMANANA Stangeline) voatendry hitondra ny resaka fampianarana fa tsy maintsy hapetraka ato ho ato ny fanalavana ny ambaratonga voalohany (Garabola) ho fito taona.
Dia ho sanatria ho 'taranaka atao sorona' (Géneration sacrifiée) indray ve ireo ankizy sy tanora manomboka hatreto? Ka ho lasa irony olona tsy hahay hamakafaka fa tonga dia hihianana am-bolony irony.
Raha mandinika tsara isika dia hahatsiaro fa ny sekoly Katolika dia "tsy nety loatra" nanaraka ambokony ireny fepetra sadasada naroso teo amin'ny sehatry ny fampianarana ireny, hany ka tsy mahagaga raha maro ny mpianatra avy amin'ireo sekoly tantanany no lasalasa daholo eo amin'ny sehatry ny fahalalana sy ny fandraharahana na fitantanana.
Tsy hoe manohitra ny rafitra akory ry zareo katolika raha manao izany fa kosa mahita hoe misy lalana tsaratsara kokoa hitany hampandroso ny mpianany ary dia raisiny amim-pahasahiana, rehefa hitany fa tsy dia manohintohina loatra ny an-drafanjakana. Ohatra fotsiny izao ity iray ity; manan-janaka mianatra izahay iray tokontany ato an-tanana, ny sasany mianatra amin'ny fanjakana, ny hafa indray mianatra amin'ny sekoly katolika. Betsaka kokoa ny fotoana ianaran'ny mpianatra katolika noho ny an'ny fanjakana. Izany hoe ireny andro tsy fianarana ireny dia lava loatra ho an'ny mpianatry ny fanjakana (toy ny araraotina mihitsy mba ho lava!), nefa kosa iny no araraotin'ny toeram-pampianarana kosa hanovozana fahaizana araka izay tratra. Tsy maty antoka kosa aloha ny raiamandreny mandoa vola amin'izay lafiny izay e. Na ny fanarahana ftsipika aza dia efa isehoan'ny tsy fitoviana eo amin'ireo lafiny roa lazaiko ireo.
Tantara lava raha ho itarina fa izay ny amin'iny. Mbola ho avy eto ny FOMBA FIJERY_2.
Tonga ny 1 Mey 2008, ary nifanandrify ihany koa tamin'ny Andro fiakarana, izay fety kristiana. Toerana efatra samy hafa no nifanomezan"ireo sendikan'ny mpiasa ho ambohimpihaonany tamin'ireo mpiara-dia taminy. Teo ny nanao izany tany Andavamanba, ny hafa teny amin'ny kianja mitafo Ankorondrano rehefa avy niala teny Antanimena, ny sasany indray niala avy any Ampefiloha, nanoloana ny Tranombokim-pirenena mba hihazo ny Tranompokonolona Isotry.
Rehefa avy nitsirika ny teny Antanimena, izay tokony hiainga tamin'ny sivy maraina aho (nefa tsy nahita olona teny), dia lasa namonjy an'ireo tarika hiainga avy any Ampefiloha.
Mbola nahatratra ny fiomankomanana isan-karazany teny aho araka izay hitanareo amin'ny sary etsy ambony.
Niala teo ity andiany ity, izay nahitana Sendika maro (manodidina ny folo teo) ary nizotra nahazo an'iny manoloana ny CNaPS iny.
Avy eo niditra aty Ambalavao Isotry namakivaky ny tsena ary dia tonga teo amin'ny Tranompokonolona Isotry tamin'ny Folo teo ho eo.
Tsy azo lazaina ho maro, nefa koa tsy vitsy velively ireo olona tonga nanohina ny antson'ireo sendika tamin'ity.
Isan'ny antony naroson'ny sendika ho tsy nahataonana olona maro noho ireo ny tsy namoahan'ny prefet de police ny fanomezan-dalana raha tsy tamin'ny fotoana efa tena farany tokoa. Tsy afaka nanao fanentanana mifandraika amin'izay tokony ho tena izy intsony araka izany izy ireo. Teo koa moa (mbola ry zareo sendika ihany no milaza eto) ny fomba ankolaka nataon'ireo mpampiasa sasany nitondra ny mpiasa ao aminy hanao fitsangatsanganana, dia tsy ho afaka handre izay fanentanana sy tsikera ataon'ny vondrona sendikaly.
Noraisin'izy ireo ho samy niezaka nanao sakana araka izany , na ny fanjakana (tamin'ny alalan'ny prefet de police), na ny mpampiasa.
Maro tokoa raha ny sora-baventy nolanjaina hita teny an-toerana. Misy ireo solontena avy amin'ny FATEXMA, Chocolaterie ROBERT, COTE SUD, SICEH Hotel de France, FLOREAL, NIKENI, SIPED, GROUPE SIPROMAD sns..
Ny tantaran'ity tolon'ny mpiasa ity moa dia niandoha tany amin'ny taona 1884 tany, ho fitakiana ny ora 8 ho fetra'ny fiasana (tany Chicago Amerika). Telo andro (1- 2 -3 Mey) no nifandrohizana tamin'izany ary nisy mihitsy ny maty.
1889 dia nangatahan'ny Kongresy Iraisam-pirenena ny mba hahazoan'ny mpiasa rehetra mankalaza io vaninandro io ho toy ny andron'izy ireo manokana sy ho fahatsiarovana ny volana Mey 1884.
Raha ny filazan'ireo mpitarika ny diabe natao androany dia tsy tokony ho zo angatahina ny zo haneho ny tontolon'ny asa rehefa 1 Mey toy izao fa zo efa azo ary tokony ho eken'ny maro ny fisiany.
Mikasika ny fitsitokotokoan'ny fankalazan'ireo sendika ity andro ity indray dia toy izao no valiny azo avy amin'ingahy RANDRIANASOLO José SG Sendika FISEMA :
'Toy ny fety kristiana ihany io, ny andro iray fa ny fomba entin'ny fiangonana tsirairay mankalaza ilay fety no samihafa. Dia toy izay koa no mitranga androany fa tsy hoe samy mandeha samy mitady akory ny sendika tsirairay'.
Ny foto-kevitra nentin'ireto vondrona sendikaly ireo hankalazana ny andron'ny asa androany moa dia ny hoe 'Asa mendrika, fiainana mendrika'. Satria, hoy ihany ireo mpitarika (Dokotera Jeanne RAZANARIMANA):
raha ny mpiasa no osa, tsy misy firenena mandroso. Ary tokony hampihatra izay voalazan'ny lalana fa tsy tokony hisy fitakiana lava izao.
RANDRIANASOLO José no manohy toy izao:
'...manomboka misy fihemorana ny fampiasana vehivavy amin'ny alina, na dia mbola misy ihany aza ny minia mikimpy. Izany dia noho ny ezaky ny sendika sy ireo solontenan'ny mpiasa...Tsy nisy fifampierana tamin'ny resaka lalana fampiasana vehivavy amin'ny alina... Ankehitriny dia misy fifanarahana iombonana 2 ezahana ho apetraka ...fifampidinihan'ny telo tonta no tokony hitondrana ny resaka (tripartisme), araka izay voalazan'ny OIT (Madagasikara dia mpikambana ao)...'
Nomarihan'ireto mpitarika sendikaly ireto tao koa ny fisian'izany orinasa KARINA (ialana tsiny raha diso ny fanoratana azy, fa omena anao araka izay nahenoana azy fotsiny ilay anarana) izay mbola mampiasa ny mpiasa ao aminy amin'ity andron'ny 1 Mey ity, sy ireo magazay eny Behoririka, Mahavoky, Mascar izay Sinoa no betsaka amin'ireo mpampiasa.. Ny andro toy izao hoy izy ireo dia andro fandravonana ny tolon'ny mpiasa fa tsy tokony ho andro fitakiana lava araka izay andrasana sy andraisan'ny maro azy (indrindra fany mpampiasa sy ny fanjakana).
Isan'ny antso natao nandritra ity anio ity ny hoe:
1 * ho an'ny mpiasa==> hamafiso ny sendika, aza matahotra miditra ao anatin'io sehatra io fa ho fiarovana ano sy ny zonao izany.
2 * ho an'ny fanjakana ==> Mifantoha amin'ny tombontsoa iombonana fa aza mitongilana fotsiny amin'ny mpanambola, ka hanao ny mpiasa Malagasy ho toy ny entam-barotra
3 * ho an'ny mpampiasa ==> asio fitsiopi-dalao mazava ny tontolon'ny asa (ohatra ireny fandroahana faobe ireny). Ny securité de l'emploi no tadiavina fa tsy ny emploi. Fa raha ny efa manana no ho very asa, ho aiza isika mianakavy?
Nolazain'ireto mpitarika ihany koa fa mivoaka any amin'ny tranonkalan'ny OIT ny fanakianana maro momba ny tsy fetezana sy ny tsy fandehanan'ny tontolon'ny asa eto Madagasikara, fa tsy araka izay ambaran'ny mpitondra ombieny ombieny. Hita any ihany koa hoy zareo ny fanakianan'ny OUA. (mbola mba hijery aho rehefa malalaka!!!!)
Nosafoina tao ihany koa ny resaka olana ara-tsakafo miseho maneran-tany.
Notakiana koa ny hanaovana amin'ny teny Malagasy ireo zo fototra (Droits fondamentaux) sy ny fanambaran'ny OIT tamin'ny 1998 momba ny fampiharana ireo zo fototra ireo, mba ho azon'ny mpiasa Malagasy rehetra tsara ny dikany sy ny zo tokony ho zakainy.
Ny zavatra hita aloha hatreto, hoy ireo mpitarika, dia:
rehefa mahasoasoa ny fanjakana sy ny mpanambola mpampiasa ny resaka dia ENY no valiny, fa raha manome soa ny mpiasa kosa dia na arirarira, na TSIA no setriny.
******   Tsy mety mipoitra ny sary natsofoko teto fa dia any amin'ny Flicks no ahitana azy e!  ******
Lahatsoratra avy any Egypta no nanaitra ny aingam-panahy hitosaka eto androany. Nanampy trotraka koa moa ny fandrenesana isan'andro isan'andro ao amin'ny RNM (Radiom-pirenena Malagasy) ny antso fiaraha-mitady olona tsy hita hoe lasa aiza na lasa aiza.
Ekena aloha  fa misy ireo maty an-dalana noho ny hanoanana, noho ny aretina, noho ny lozam-pifamoivoizana nefa tsy nahitàna taratasy milazalaza ny momba azy teny amin'ilay olona. Nefa koa betsaka ny fakàna an-keriny sy ny famonoana any anelanelany any. Misy amin'izy ireny no ariana any anaty rano ka amatorana vatobe mba tsy hpoitra (nefa mbola naloan'ny rano ihany toy ilay Karana lahy teny Andranobevava), misy ny alevina an-tsokosoko any (toy ilay teny Ambohimanambola, momba ireo mpifankatia nanao anton'asa ny fanentanana lanonana, nonina teny Tanjombato, ary novonoin"'ny namany ihany), ary misy koa moa ny tranga izay tsy haintsika hazavaina mihitsy.
Angamba efa tokony ho lavitra be ny fahatsiarovana izany andron'ny Gestapo sy ny fanjavonana noho ny antony pôlitika, na ny tsy fifanarahan-tsaina izany e! Ny hevitra ampiadiana dia atao toy ny 'katsaka anaty lapoaly, ka izay tsy mahatanty mipitsika'. Sa ahoana hoy ianareo? Mitory fahambanian-tsaina mantsy izany amiko, ary midika tsy fahazakàna fahalalaham-pitenenana ihany koa.
Enga anie mba tsy hisy eto Madagasikara izay miseho any Egypta any. Hiaraka hivavaka isika hoe:
'Zanahary ô tahio ny tanindrazanay, ....handry fahizay.....ireo mpitondra anay tariho lalandava koa, ho feno fahendrena, kinga sy mahay....'. Amen
be ny zavatra miova amin'izao fotoana.
Toetr'andro
Nilaza ny sampana mpandinika ny toetr'andro eto Madagasikara tamin'ny tatitra farany navoakany fa miovaova ny toetr'andro eto, fa tsy toy ny taloha intsony. Mihafoy ny fhavaratra ary mihamafy ny rivo-doza. Rehefa ho avy koa anefa ny orana dia hivatravatra fiavy. Izany rehetra izany dia tsy inona fa noho ny ataon'ny olombelona ihany. Tavy, doro tanety, fanimbàna tsy amim-piheverana ny àla, nefa ny fanoloana izay nongotana sy nadaboka tsy maharaka akory, mba tsy hitenenako hoe zàra raha misy. Tsy mahagaga araka izany raha ny toerana tsy noeritreretina hisy havandra no nahitana havandra (toy ny tany Andohan'Ilakaka), ary koa raha lehibe tsy araka izay fantatra ny haben'ireny havandra ireny (300 ka hatramin'ny 500gr ny vongany iray, ary tany Vohipeno aza dia 50 kg be izao ny iray). Be ny voly nadrasana ho masaka tsara no nampanenina ireo tompony, fa tao anatin'ny indray mipi-maso dia nafoy ho toy ny tsy nisy. Nahatratra hatrany amin'ny 20 cm ny haavon'ny havandra tamin'ny faritra maro nilatsahany. Ngoly ny vodi-mangahazo sy ny ovy ka dia be no simba, ny ravina fihinana moa dia tsy lazaina intsony.
Isan'ny antony koa ny tsy fiheverana efa fanaon'ny sasany toy ity nitranga tao Antanimena amin'ny andro antoandro be nanahary ity: nandoro ireo entany vita amin'ny plastika  tsy nalain'ny tompony sy tsy nisy nividy ny tao amin'ny douane. Amin'ny andro mazava be izao, nefa feno olona mivezivezy sy mivarotra eo amin'ny manodidina eo. Tazana hatrany amin'ny kilometatra maro ny setroka mainty be niakatra avy tao. Ary efa niantsoan'ny olona mpamono afo avy ao Tsaralalana mihitsy aza fa noheverina ho trano may. Kay olona tsy ampy fiheverana no fototry ny olana. Mbola ialako tsiny foana ny teny mahitsihitsy fanaoko e!
Toe-tsaina
Miovaova koa ny toe-tsaina fa raha ny Malagasy mpandàla aina sy tia anaka taloha no sainina, dia tsy izay no hita sy atrehina ankehitriny. Be ny fatin-jzazakely ariana etsy sy eroa, vokatry ny fanalàn-jaza. Voalaza mihitsy aza tamin'ny tatitra avy amin'ny FNUAP tamin'ny herinadnro fa i Madagasikara no voalohany indrindra manana tanora kely taona indrindra sy betsaka indrindra aty Afrika amin'ny fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra. Tsy ireharehana izany sanatria fa tena zavatra mahamenatra. Ny raiamandreny ve no efa tsy mahatontosa an-tsakany sy andavany intsony ny adidy , sa ny taranaka no diso manara-drenirano amin'ny resaka fanontoloana? Asa lahy! Ho aiza isika ity e? Gaga ianao mandeha eny an-dalana eny fa tsy lahy tsy vavy, ireny ny mpianatra Malagasy fa mba mipololotra amin'ny resaka sigara koa. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: fa angaha moa izy ireny efa mikarama sa vola avy aiza no nividianana azy? Ary raha tsy mikarama sy tsy novidiana indray dia iza no nanome? Betsaka koa ny tovovavy ankehitriny no misy miantso amin'ny finday, dia any dia lasa izao.. Hainao angamba ny tiako hambara. Sao avy any àry ny vola e? Tsy haiko fa dia miovaova tokoa ny toe-tsaina fa izaho angamba no efa Ntaolo be tsy maharaka ilay toetr'andro miovaova ery ambony.
Mbola io resaka teo-tsaina io ihany dia izao no hitako; rehefa nisolo mpitantana ny tanàna iray, dia rava izay nataon'ny teo aloha. Ohatra amin'izany ny hatsaran-tarehin'Analakely teo aloha teo. Lasa nofinofy sisa. Ka iza ary no nanimba e? Ny niditra ve sa ny nivoaka? Na iza anefa na iza, dia izao fotsiny ihany; raha samy hiovaova teo-tsaina toy izany ihany, dia aleo zalahy mba miova ho tsara fa tena mamohehatra ilay itondran"ny sasany ny hoe fiovaovana a! Ho ahy, ho anao, ho antsika rehetra foana anie izay zavatra mipetraka sy vita eo e! Ary volanao no niasa teo nanamboarana azy ireny, sao odianao tsy fantatra ary izany! Io hetra hetra mampimenomenona ny maro io anie no mihodina any e! Koa tsy mandrora mitsilany ihany ve ireo miovaova toe-tsaina mankany amin'ny ratsy toy izany e!
Fanapahan-kevitra
Inoako fa hisy hahatsiaro ny lahatsoratro momba ny foza orana ny maro aminareo. Tamin'izany fotoana dia nentiko teto ny fomba fijerin'ny tantsaha eny Betsimitatatra momba azy io. Sy ny hoe "azo hanina....tsy azo hanina....sns...' Nisy mihitsy aza hoy ireo tantsaha ny fanenjehana anay raha maka ireny izahay. Ankehitriny anefa dia nivoaka tamin'ny Fampitam-peom-pirenena (RNM) fa azo atao dia azo atao ny mihinana azy io ary tsy misy atahorana. Haingam-pitombo be io foza orana io, nefa nosakanana ny fampiasana azy sy ny fakàna azy. 300 ka hatramin'ny 1200 atody isan-taona no avoakan'ny iray aminy. Isan'ny ady amin'ny fampihenana azy anefa ny fakàna azy any anaty rano, nefa dia efa firy volana aty aoriana vao avela indray halain'ny olona ilay izy.
Tena miovaova marina izao rehetra izao, efa tokony ho ririnina ny vaninandro eto Madagasikara amin'izao fotoana, nefa dia aleo lazaina fa tena mandoro ny hafanana. Lazain'ireo mpandinika azy io aza fa amin'ny taona 2050 dia hiampy 2.6°C ny hafanana ho an'i Madagasikara manokana.
Am-bava homana, am-po mierotra, ary tady atsipy an-tandrok'omby izy ity ry zalahy, teny alefa ho am-pon'ny mahalala. Diniho ihany izay aleha sy atao.
Dradraina be amin'izao fotoana ny resaka fampiasana fimailo. Borosiana mafy loatra aza ary ahiao hampibirioka ny tanora Malagasy indray. Omena vahana sy tena asiana lanja betsaka eny anivon'ny haino aman-jery maro samihafa. Tsy maninona izany, nefa kosa raha izay fandaharana henoko tamina fampielezam-peo iray teto Antananarivo izay an! Tena nakasitraka tanteraka aho. Avy amin'io no nakako iry lohateny ery ambony hoe 5925/5-9-25
Nifototra tamin'ny fanabeazana momba ny resaka fahasalamana ara-pananahana (santé de la reproduction) ny ankabeazan'ny resak'ilay mpandray anjara. Fa izay tena tiako hotsindriana manokana eto dia io resaka 5925/5-9-25 io.
Entaniko manokana ary ianareo ankizilahy sy ankizivavy, saino tsara izay ho vinakinao aoriana kely eo fa hahasoa sy hiantoka ny hoavinao manontolo mihitsy.
Be loatra ny resaka fanalan-jaza, fanariana zanaka, sns manodidina an'izay resaka izay. Eny fa hatramin'ny fivarotan-janaka tsotra izao aza. Vao tamin'ny Alatsinainy 08 avril 2008 teo izao no nahitanay fatin-jaza natao tao anaty fonosana lamba tsy lena (sachet plastique) nevalan'olon-tsy vanona teo amin'ny mandidina ny tanananay. Dia ontsa ianao mieritreritra hoe: maninona raha nateraka ilay zaza dia tsy nozanahana fa naterina teny amin'ny mpitaiza zaza tsy misy mpiahy, na nitadiavana olona manaiky hitaiza azy, na koa navela tany amin'ny hopitaly hiandry izay olona tsy niteraka ka vonona ny hanagana azy. Fa dia naleon'ilay kibo nitondra azy nijery ilya silaky ny ainy ho faty sy ho toy ny fatin'alika nariana teny an'elakela-tranon'olona. Azafady raha masiaka be ny teniko fa toa tsy mafy amin'ny vehivavy sasany angamba ilay mitondra vohoka sy miteraka.
Rehefa nantsoinay ny fokontany sy ny BMH ary ny mpitandro filaminana mba hizaha ny zava-misy, dia nilaza ilay mpitsabo fa efa tany amin'ny sabotsy io mety napetraka teo fa tsy voamarikay nanodidina raha tsy efa namofona. Somary kihon-tamboho izay moa no nametrahany azy ary ny jirom-pokonolona rahateo tsy mirehitra raha tsy efa amin'ny valo sy sasany alina ety aminay Ambatomitsangana Andravoahangy (asa izay eritreritry ny tompon'andraikitra amin'izany). Hany ka manjaka na vaky trano na izao raharaha ratsy rehetra izao.
Ity ary ny fanazavana ilay 5925/5-9-25:  SAINO TSARA NY ATAONAO, SAO NY FAHAFINARETANAO 5 MINITRA  NO HITONDRANAO VOHOKA MANDRITRY NY 9 VOLANA,  IZAY TSY TOKONY HO NATAO AKORY ALOHAN'NY FAHA 25 TAONANAO.  Toy izay no azo amehezana ilay fanazavana nataon'ilay vahiny nasain'ilay onjam-peo. Resaka fahasalamana tanteraka moa no nanazavany azy io tao.
Koa ho anao tanora lahy sy vavy io, ANAO SY SAFIDY, fa IZAHO TSY MANDIDY,
Samy namoaka lahatsoratra momba ny tanànan'i Mampikony avokoa ny gazety roa nandalo teto amiko androany (Ao raha sy Gazetiko). Nolazainy tao ny momba ny olana sedrain'ity tanàna iray ao amin'ny faritr"i SOFIA ity noho ny fitoerany ao anaty lemaka tena ambany dia ambany tokoa. Voaresaky ny tompon'andraiki-panjakana aza fa hoe tokony hafindra amin'ny toerana avo ny tanàna iray manontolo. Fa izay tiako hotsindriana dia ilay resaka tsy fisian'ny toeram-pivoahana sy fanaovana maloto. Any anaty alaala sy lobolobo rehetra any ny rehetra no manao maloto sy manàry ny tsy zakany. Tsy azo ialàna araka izany ny mety hisian'ny valan'aretina isaky ny fotoam-pahavaratra toy izao, satria dia hitsinkafona daholo ny nafenina? Isan'ny fototry ny olana ho an'i Mampikony koa ilay fitehirizana ny fomban-drazana hoe tsy miray trano fivoahana sy fidiovana ny olom-pady toy ny mpianadahy sy ny mpianaka. Izay ilay mahatonga ahy milaza fa hoe indraindray tokony mba hosainin'ireo raiamandreny mpandàla ny fomban-drazana ihany ny tokony sy tsy tokony ho tazonina intsony amin'ireny fomba fahiny ireny. Rehefa mba hita fa nilaozan'ny toetr'andro sy ny zava-misy ilay izy dia tokony hànana fahasahiana hanao dingana mba hanova azy fa tsy hifikirana eo foana na dia hitondra loza ho an'ny taranaka sy ny fiaraha-monina manontolo aza.Tsy i Mampikony irery anefa no misedra io olana io fa i Mananjary koa dia misy faritra iray manana fomba toy ity tantaraiko anao ity: tsy misy izany toeram-pivoahana izany ao amin'ilay tanàna, fa izay teren-javatra dia lasa mamonjy toram-pasika, dia mandavaka ary dia manao toy ny saka eo. Rehefa via dia manototra. Ny nampihomehy sy nahatsikaiky dia ity: rehefa tokony ho vao maraina alohan'ny amin'ny fito ora iny dia feno olona mitingitingina ny tora-pasika iray manontolo. Mitandahatra izy ireo amin'izany. Nisy vazaha nitondra fiara nijanona naka sary ny zava-niseho, nefa dia tsy nahataitra sy tsy naharototra velively ireo mpanokotoko nanerana ny tora-pasika izany. Eo ny sasany efa eo am-panotofana, ary eo ny tena mbola an-dalan'ny fandatsahana ilay zavatra. Beurk!
Angamba fotoanany izao tokony hihenjànana amin'ny tokony hanànan'ny tsirairay lava-piringa, ary tena tokony ho lalàna apetraka mihitsy. Mialoha izay anefa dia asiana foana ny fanentànana toy izay efa natao, ary arahina asa sy fanampiana amin'ny fanatanterahana azy raha ilaina.
Raha mbola mitohy mantsy ny toy izao dia mbola ho ela vao hofongana ny valan'aretina toy ny fivalanana ohatra sy ny hafa koa miankina amin'ny fisian'ny loto.
Kay! Poritra aho fa hilaozako aloha ianareo k'ah. Amin'ny manaraka manao misimisy.
Ho avy indray ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana natao tamin'ny 29 Mars 1947. 61 taona lasa izany. Tsy zaza miana-mandeha intsony raha taonan'olona izay no andrefesana azy, fa tena efa anaty fahanterana sy fahamatorana. Nefa tena izay tokoa ve no misy? Matotra sy feno fahendrena ary tena tia ny tanindrazany marina ve ny Malagasy miara-miaina aminao ankehitriny? Raha izaho no mamamly dia TSIA avy hatrany no valin'teny omeko anao.
Hazavaiko ny hevitro:
* tsy zoviana amintsika ilay fomba fiantso toa maneso sy nandokoana ny vokatry ny tany hoe 'VITA GASY'. Rehefa milahatra amin'ny vokatra nafarana avy any ivelany ny an'ny tena, dia amavoina amin'io fiteny io.
* Maro fa tsy vitsy ny Malagasy no menatra koa mampiasa ny teniny eny imasom-bahoaka rehefa mba tafita izay. Tratr'io aretina io avokoa hatramin'ny olona ambony sy mpitondra fanjakana. Nefa mba efa nahita ve ianao Amerikanina, na Anglisy, na Frantsay, na hafa koa aza e, hoe nikabary teo amin'ny taniny ka ny tenin'ny hafa firenena noho izy no nindraminy hampitana ny hafatra tiany havoitra? Tsy mbola nahita aho afa-tsy ny tany mbola voazanaka (ara-bakiteny na ara-toe-tsaina). Nefa ny antsika raha tonga ny tonon-taona, na misy fotoam-pitokanana azitsy zy zaroa, dia tsy ny teny Malagasy madio rano no anaovana azy fa tsy maintsy ilay sadasada manantsoratra ireny foana, raha tsy teny vahiny tsotra izao aza. Indray andro dia nisy vahiny iray tafaresaka tamiko teo ampilaharana vola tamin'ny banky iray. Hoy izy
"mampalahelo ianareo, lazaina fa tokana ny teny Malagasy, lazaina fa harena ny fanananareo azy, fa mba iza aminareo no tena manome lanja azy io, ankoatry ny mpikaroka ao amin'ny Akademia Malagasy sy ny Poety? Izay mifanerasera amiko dia miezaka ny hanakatra ny lanitra sy hiteny ny fiteniko, nefa anie aho no vahiny eto aminareo e! Amin'izay anefa ilay teny avoaka, tsy ambony tsy ambany. Izaho no tokony hiezaka hifehy ny teny Malagasy mba hahafahako mitrandraka bebe kokoa ny fomba amam-panao misy, mba hidirako bebe kokoa amin'ny fiaraha-monina iainako, nefa ianareo no manome vahana anay tsy hifehy ny anareo, koa aza gaga raha na ny fomba fifehezana sy ny fitondran'ny vahiny anareo hatrany anaty orinasa aza dia toy ny fitondra olona tsy misy vidiny."
Henjana be tamiko ny nandre izany rehetra izany, nefa rehefa nandinika tsara tokoa aho, dia tena marina daholo ireo nolazainy. Misy aza ,hoy aho an'eritreritra, Malagasy tsy mahita rirany akory rehefa hanoratra amin'ny teny Malagasy (ny miteny vita ihany). Nefa jereo ry mopera Pedro sy ny fifehezany ny teny Malagasy, na dia hita ihany aza fa vahiny ilay miteny sy manonona azy.
* Teto anivon'ny orainasa iasako indray dia toy izao no nitranga, teo ampikarakarana taratasy momba ahy aho no tonga koa ity ramatoa iray (fony andron'ilay "iraika lahy taloha", nefa mbola mitohy hatrizao), haka vola hividianana billets d'avion ho an'ny mpikambana ao amin'ny governemanta no anton-diany. Tonga dia nofeperany ilay tomponandraikitra mba hividy ny tapakila any amin'ny Air France fa tsy tia mandeha Air Madagascar, hono, ireo mpitondra ny Malagasy tamin'izany, (sy angamba koa ankehitriny, rehefa nahita itony Corsair, Air Mauritius, sns ...itony)
* Teny amin'ny fiantsonan'ny fiaramanidina indray raha handeha hamita iraka tany amin'ny faritany ny tenako, dia izao no nitranga. Avy ity zana-bazaha iray mba hamandrika tapakila fa hiondrana ho any ampitan-dranomasina. Tonga dia notsindriany avy hatrany fa billet Air France no ilainy fa tsy hafa ankoatra izay.
Ny tiako hahatongavana amin'ireo rehetra irao dia tokana , AZA ATAO VALALAN'AMBOA NY ANY TENA, KA NY TOMPONY AZA TSY TIA.
* Ndeha ary isika hamadika ilay fiteny hoe "VITA GASY' ho toy ny "LABEL", na mari-pamantarana mampirehareha ny tompony.
* Ndeha koa isika hividy ny vokatry ny Malagasy mba tsy ho faty am-pitoerana ny orinasan-tsika noho ireo vokatra vahiny mitobaka eran'ny tsena (marina fa mora vidy ireny, fa mba jereo anie ny daty e, zavatra efa akaiky be daholo, izany hoe efa tsy ahitan-dry zareo lalana sy atahorany tsy ho azo avadika vola intsony no aondrany haingana aty amin'ny Malagasy, jereo koa ny soratra eny amin'ny fonon'ireny entana irenyfa misy amin'ny teny tsy hainao mihitsy, satria toy ny kankana (arabo), ka mampihinana anao zavatra tsy fantatrao akory.
* Ndeha ianao mpitondra fanjakana io mba hiaraka ho sarotiny aminay mpanjifa ka hitaky fa rehefa soratra tsy hay vakiana toy izany dia tsy mahazo miditra ny faritry ny taninao, ary ny daty efa antomotra be dia tokony ho ambony ny haba alaina aminy (fantatro fa ho olana io amin'ity resaka SADC SADC ity, nefa ny hahafaty sa ny hahavelona ny Malagasy no tanjona? Sahia mandray fepetra henjana, fa resaka baolina kitra aza nahasarotiny anareo, maika fa resaka fahasalamana sy fiadanan'ny Malagasy ETO AMIN'NY TANY NAVELAN'NY RAZANY ho azy.
* Entanina koa ianao Lehibe io (na ao an-trano, na amin'ny orinasa, na amin'ny fitantanana isan'ambaratonga, hatrany amin'ny fiadidiana ny firenena iray manontolo mihitsy) mba hampiasa ny teny Malagasy amin'ny serasera sy fifandraisana amin'ny birao rehetra. Mba firy amin'ny Malagasy moa no tena mahafehy ny teny Frantsay sy Anglisy io? Ekeko fa marina ny hoe ilaina fehezina koa ny an'ny hafa.
* Manainga anao tomponandraikitra mivantana koa mba hampanaja ny lalana amin'ny fampiasana ny sora-bola eo amin'ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara, ka rehefa ny ARIARY no voalaza fa vola miasa eto, dia tsy tokony ho ekena mihitsy ny sora-bola EURO, na vola vahiny hafa amin'ny fandraharahana manerana ny tanin'ny Repoblika Malagasy (toy izay hita amin'ny filazana an-gazety maro momba ny resaka hofan-trano sy fifampivarotana sns...) Tsy hoe vola matanjaka izy ireny, dia hanaraka izay koa ny fomba fanehoana vidin'entana sy fandoavana ny lany eto Madagasikara.
* Ho an'ny Malagasy rehetra kosa, ho fanohananao ny fanarenana ny fananana Malagasy (raisiko ohatra ilay tapakila tery ambony), dia aoka ho ny vokatra sy ny tolotra omen'izy ireny no ampiasaintsika araka izay tratry ny hery. Ohatra, hivoaka ny Nosy ianao, ampiasao ny Air Madagascar fa io no anao, ary ilaina velomina sy kolokoloina hijoro hatrany satria an'ny tena. Hanasa lamba ianao dia ampiasao ny vokatry ny SAVONNERIE TOPICALE fa tsy ny vokatra Maorisianina toy ny Citron Plus no mampifandrombaka.
Koa raha ianao no mandinika, aiza ho aiza ny fitiavanao ny tanindrazanao, mahaleotena tokoa ve izy, mianoka ny fahalalaha ve ny mponina ao aminy?
Tadidio mandrakariva fa tsy misy afa-bela amin'ny tantara ka hilaza fa adidin'ny teo taloha izany, satria samy tompon'andraikitra amin'ny tontolo nolalovany daholo ny tsirairay. IZAHO, IANAO, ISIKA NO MANORATRA NY TANTARA, ARY ISIKA MIHITSY NO VANIM-POTOANA, ISIKA NO HOTSARAINA RAHAMPITSO.
Mieritrereta.
INDROA MAHITA NY MAIZINA Zavatra nahavaka ny sain'ny mponin'Andravoahangy Ambatomitsangana nanomboka ny fiandohan'ny volana Mars ny tsy fahafatesan'ny jiron'ny JIRAMA teny amin'ny andrin-jiro na andro na alina. Talohan'io dia toy izao ny zava-nisy. Amin'ny antoandro no mirehitra ny jiro, ary dia maty sy tsy misy hazavana rehefa alina. Mifamadika tanteraka amin'izay tokony ho izy. Rehefa nilazàna ny tao amin'ny JIRAMA dia nijery ary nilaza fa simba ny fitaovana mpibaiko tena mitondra azy io, ho an'ny fokontany roa (Andravoahangy andrefana sy atsinanana) ary ny manodidina azy akaiky. Tapa-bolana lasa ary izay dia notsoahan'ny JIRAMA ary ilay fitaovana. Dia nirehitra tsy nijanona teo ny jiro, na andro na alina.
Rehefa niantso tany sy nandeha nandoa vola tany ny Sekoly iray sy ny mponina vitsy tety aminay dia nilaza ry zareo fa efa nomeny fiofanana ireo filoham-pokontany roa voalaza etsy ambony mba hahafahan'izy ireo manapaka ny herinaratra mandrehitra ireo jiro rehefa mazava ny andro. Ary tsy maintsy ho voapetraka ny solon'ilay fitaovana, na ilay izy avy namboarina, hatramin'ny sabotry 22 mars izao raha tara indrindra satria mbola lasa nanaraka fiofanana koa, hono, ilay zalahy mpametaka azy amin'ny toerany. Tsy nisy nanapaka anefa ilay jiro rehefa antoandro fa dia mitohy mirehitra eo ihany. Rehefa nanontaniako indray ny filoham-pokontany Andravoahangy IVB-IVC dia nilaza fa sao dia fanahy iniana arehitra ilay izy , na sao misy disadisa eo amin'ny kominina sy ny JIRAMA ka at no no ialana vonkina. Koa IZA NO DISO IZA NO MARINA? Ny marina aloha izao dia ho be ny vola hivoaka amin'ny kitapom-bolan'ny kominina misahana ireto fokontany ireto e. Dia mazava ho azy fa hisy fiantraikany amin'ny kitampom-bola tokony mba hiasan'ny fokontany koa izany tranga izany. Izay no anton'ilay lohateny INDROA MAHITA NY MAIZINA, satria rehefa avy niaina ny tsy fisian'ny fahazavàna amin'ny alina, teo aloha, dia tsy maintsy hamoaka vola be indray aty aoriana. Aiza ilay fiofanan'ny sefom-pokonany e? Ary aiza ny maha-matihanina ny orinasa ttomponandraikitra e?
Na dia tsy mbola anatin'ny 8 mars tanteraka aza isika dia entina ihany ity lahatsoratra ity ho an'ny rehetra. Manana ny toerany lehibe eo amin'y fiaraha-monina ny vehivavy. Ankoatry ny maha ravaky ny saha sy endriky ny tanàna azy dia aoka ho tadidy mandrakariva fa izy no kofehy na fantsona iray miantoka ny fitohizan'ny taranaka. Andry lehibe iankinan'ny firenena sy ny fisiany araka izany ny vehivavy. Niezaka nitaky fitovian-jo izy ireny. Dia nomena izay tandrify azy tokoa.
Na izany aza anefa dia lazaiko fa tsy mbola, ary tsy ho tanteraka (lafatra) na oviana izay resaka fitovian-jo tadiaviny izay.
Voajanahary mantsy ny maha samy hafa ny lahy sy ny vavy. Aza tonga dia tsinianao avy hatrany fotsiny amin'izao izay lazaiko, fa raha misy adihevitra dia tokony haroso. Fony aho nianatra dia hoy ity anabavy iray mantsy ahy. Efa teny amin'ny ambaratonga ambony tamin'izany fotoana: "Na inona na inona fitakiana fitovoan-jo ataonay, dia ekenay fa resinareo lehilahy foana izahay amin'ny lafin-javatra maro. Resa-be tiana hateza ny hoe tena hitovy tanteraka fa efa napetrak'Andriamanitra ho ny lahy no lohan'ny vavy". Akatoko eo ny amin'iny sao dia hisy hilaza fa mpanamaivana ny andriambavilanitra aho.
Fa ny zavatra tiako hapetraka dia izao. Anisan'izay tena miezaka mampihena io elanelana io ny tenako. Ary dia sarotiny mihitsy raha vao ny vehivavy no atao tsinontsinona. Isan'ny fanaovana tsinontsinona ny vehivavy Malagasy sasany ny tsy famelàna azy handray anjara amin'ny adihevitra atao eo anivon'ny fiaraha-monina Malagasy sasany. Anjaran'ny lehilahy mantsy hono izany. Eo koa ny tsy fanajàna ny safidin'izy ireny amin'ny alàlan'ny fanolorana azy ho vadin'olona fa tsy ho tompon-tsafidy amin'ny fitiavany. Ary izay miseho any amin'y faritra somary atsimo atsinanana iny no tena mahavàka ny saina indrindra. Raha misy vehivavy miteraka kambana, dia tsy maintsy vonoina ny iray na ariana ho lasan'olona hafa. Izay mantsy hono no fomban-drazany ka dia tsy afaka miteny sy tsy manam-pidiny ilay kitapo nifonosana. Nilaza mihitsy aza ireo raiamandreny be (Ampanjaka) tao amin'io tanàna io fa na hiady aminy aza ny fanjakana dia tsy hilefitra hitaiza zaza kambana izany ry zareo. Tsy fanaon'ny razany izany ary tsy ho ataony na oviana na oviana,hono. Be ny vehivavy no mizaka ny mafy: na io noho ny adim-piainana tsotra izao fotsiny, na noho ny setrasetra mihatra aminy (fanolanana sns...). Vao tsy ela fa ny 06-03-2008 teo no nahenoako tovovavy iray nanoratra tany amin'ny mpanolotra fandaharana iray "Ny fitiavana sy ny tontolony" tao amin'ny  radio Don Bosco, nitantarany ny manjo azy. Toy izao izany manjo azy izany: sembana ity anabavy nanoratra (sima).
Ny zavatra mampalahelo dia ny reniny izay tokony ho nàmany sy hanampy ary hiaro azy no mitsangana ho fahavalony, noho io fahasembànany io. Tsy avela hianatra fa hataon'ity farany inona, hono, izany, Tsy avela hitady asa koa fa atao toy ny mpanampy
ao an-trano. Iainany isan'andro ny latsalatsa sy ny teny tsy voahevitra rehetra. Mankahàla azy tanteraka noho io antony io ny reniny,  ary dia manaraka izany koa ny iray tampo aminy rehetra, izay mahazo vàhana sy fitiavana manokana amin'ity reny mpianga-janaka. Mba mitsetra azy ihany ilay rainy saingy tsy mahavita inona noho iretsy ankilany maro mifanandrina aminy. Avoaka daholo ny vava tsy ambina rehetra toy ny hoe "tsy hahita asa na vady na oviana na oviana raha ny toa azy sima io". Niantso vonjy tamin'ny alalan'ny taratasiny io anabavy io ny mba hanampian'izay afaka manao izany ho azy, eny fa na dia hanao mpiasa an-trano aza, mba hialany amin'ny ziogan-dreniny. Efa navoakan-dreniny hatramin'ny teny maharary hoe : "tsy manan-janaka anao aho". Mafy anie izany rey olona e. Tsy te-ho eo amin'ny toerany aho.
Tsaroako eto koa ireo vehivavy lavo sy potraka noho ny fitiavany. Noho ny fitiavany hoy aho, satria nitia izy saingy nilaozan'ilay, na ireo notolorany ny fony. Mibaby kitra irery avy eo,nefa dia tsy maintsy manohy miaina. Isaorana manokana ireo reny be herim-po tsy mitsoaka adidy ka na dia lasa aza ilay nantenainy, izy kosa mijoro hatrany mba ho andry sy ho tokin'ilay menaky ny ainy izay tsy nahalala na inona na inona akory. Tolomina ny zaza, nefa koa ny vola tsy maintsy tadiavina ary dia mitomban-dahy tokoa ny sasany amin'ireny reny ireny. Misy manao asan-dehilahy mihitsy toy ity sary entiko aminao ity
. Ny zaza babena, ny asa tefy vy sy fanaovana tsikalakalam-pàtana tsy maintsy atao raha mbola te-hanokatra ny vavan'ilay tsy manan-tsiny tsy mahita atao afa-tsy ny matory maka hafanana ao an-damosin-dreniny. Mivoaka maraina be sao lasan'ny sasany ny mpanjifan'ny tena. Tsy miala eo indray raha tsy antony tsy azo anoharana. Teny Ambodirano-Ampefiloha no nakako ny sary.
Tsy lavitra teo koa anefa, saingy niniako tsy nalaina sary kosa, dia nisy vehivavy iray hafa mamo tampona tsy naharay tena, mitsinkasina anaty loto sy dikadikain'ny akoho sy alika (ara-bakiteny io). Ireo vehivavy sendra nandalo dia samy tezitra sy nanome tsiny avokoa hoe "manala-baraka vehivavy, tsy misaina"
Isan-taona dia omena azy ireo ho andro tsy iasany ny 8 mars. Raha ny orinasa iasako manokana izao dia sady mbola omena vola Ar15.000 tsirairay izy ireny. Saingy moa ve izay andro sy vola no tena hampiaka-danja ny vehivavy, sa asa maharitra sy
tontolo feno  fitsinjovana tsy mitsahatra omena azy isan'andro hanatanterahany ny adidiny? Angamba ny tena fitiavana azy dia ny fanampiana azy amin'ny fiainana isan'andro, ary amin'ny lafiny rehetra mihitsy tsy asiana faritra na fetra (na fitsaboana io, na fampitoviana karama ho an'ny asa mitovy ataon'ny lehilahy na vehivavy, sns...).
Ekena fa misy ny asa vatana tsy ho efany velively mihitsy kosa aloha e! Ary tsy mampitombina ny resaka fitovian-jo io lafiny iray io. Fa dia noho ilay fitiavana azy sy ny fandeferana dia mba mody mangiana ery ny lehilahy! Araka ilay fiteny hoe "Ny lehilahy raha mandingana in-telo, mahazo hevitra, ny vehivavy kosa raha miondrika in-efatra, mahazo saina". Izany hoe mifameno eo foana ilay malefadefaka sy ilay maozamaozatra.
Izy ireo kosa (ny vehivavy), ho tambin'izany, dia tokony ho mendrika izay fijerena sy fitsinjovana azy manokana izay. Fa tsy sanatria hidingin-drambo ka hanao akohovavy maneno, na ao an-tokantrano na any amin'ny sehatra hafa anatin'ny fiaraha-monina. Satria misy tokoa mantsy ny vehivavy, rehefa mba tafasondrotra izay, ka tonga amin'ilay hoe "manana ny maha-izy azy" no lasa toy ny soavaly tapaka lamboridy (miala tsiny amin'ny ohatra masiaka). Ajanoko eo ny fitanisana izay mety ho lafy ratsy fa ndeha hitodika kosa amin'izay tombon-dahiny ananan'ny vehivavy isika.
Ekena fa "amboan'olona,kofehy manara-panjaitra, vady andefimandry, taranak'i Eva, haingo mipetraka ho ravaky ny tanana, ary voarabe ho endriky ny saha, mandeha ravaky ny lalana, akohovavy maneno" , ireo rehetra ireo dia mirakitra ny fomba fiheverana sy fiantso ny vehivavy, na amin'ny ratsy na amin'ny tsara, na amin'ny fomba fiheverana maro. Raha ny resaka fanabeazana no horesahana dia tsy toy ny any amin'ireo firenena silamo sy ny hafa izay manavaka manokana ny vehivavy intsony ny eto Madagascar.Efa rava tanteraka io fanavakavahana io, na dia mbola misy aza ilay pi-maso an'ila voalazako ery ambony any amin'ny faritra sasany izay mihevitra fa ny lehilahy no handimby anaran-dray ka tsy maintsy omena tombon-dahiny manokana eo amin'ny fianarana. Fa ny vehivavy kosa dia olo-manaraka, andraikitr'olona ka tsy tokony handaniana mondron-kely sy vary iraiventy.
Manomboka izao dia ndeha hiara-hientana isika mba hampihàrana ny zo mitovy ho an'ny fahafahana mahazo fanabeazana mitovy, fahafahana manatratra tanjona mitovy ary azo tratrarina amin'izany fanabeazana izany. Maro amintsika no nampianarin'ny mpampianatra  vehivavy. 65% mahery amin'ny mpampianatra Malagasy no vehivavy, raha ny tatitry ny Ministera misahana izany no raisina. Midika izany fa na eo anivon'ny firenena, na eo anivon'ny fiaraha-monina ary indrindra moa fa miainga ao an-tokantrano dia singa iray tsy azontsika tsinontsinoavina ny vehivavy, fa manana ny lanjany tsy azon'ny saina refesina. Talenta manokana nomen-janahary azy ireny ny fahaizana manabe. Tena tsinjon'ny mpianatra ho hafa kokoa ny manoloana mpampianatra vehivavy  noho ny manoloana mpampianatra lehilahy na dia sanmy mpanabe izao aza. Raha eo amin'ny lafiny fanabeazana izany dia mazava fa tsy
vitan'ny hoe mira lenta intsony ny lahy sy ny vavy, fa tena efa nihoaran'ny vehivavy lavitra ny lehilahy.
Mankasitraka anareo Andriambavilanitra!
Dia nivoaka izany ny tatitra taorian'ny fihaonana nataon'ny vondrona katolika fa dia VOALOHANY aty Afrika i Madagascara amin'ny resaka fanalan-jaza. 75.000 isan-taona ny vehivavy manao izany, noho ny antony maro samihafa (aretina, tsy mbola te-hiteraka, tahotra ny vavan'ny olona, fanolanana, hamaroan'ny efa eo an-tanana.sns...)
40% amin'ireo dia avy amin'ny fianakaviana sahirana avokoa, ary ahitana ny sokajin-taona rehetra (manomboka amin'ny zazavavy mbola 12 taona) sy ny saranga rehetra ihany koa.
Ezaka mbola hatao araka izany ny hanabeazana ny olona mba hisakanana ny toy izany. Mety hitondra hatramin'ny fahafatesana mantsy izy io.
Voaresaka koa ny tokony hisian'ny Numéro Vert hahafahan'ireo vehivavy tra-pahasahiranana mila vonjy na toro-hevitra alohan'ny hanatanterahany na tsia io fanapahan-kevitra io. Ampahafantarina azy amin'izany ny maha-zava-dehibe ny aiana. Natsidika tao koa ny tokony ho fandraisana anjara mavitrika raisin'ny fampahalalam-baovao samihafa (média: radio, gazety, sns...)
Fa ny tena goavana raha ny fihevitro dia ny fahatsiarovan-tenantsika tsirairay. Ary na ity fanaovana dokam-barotra momba ny fimailo (kapaoty) ity aza dia tokony hasiana fetra fa toa mampibirioka ny tanora maro.
Ny mpitsabo koa tokony hanentana ny mpivady, na ireo efa maro anaka manantona azy mba hampiasa azy io ho fanabeazana aizana fa tsy horaisina foana toy ny zava-pady ny firesahana azy, indrindra fa any amin'ny toeram-pitsaboana no resahana.
Mbola tsy afaka tao an-tsain'ny mponin'Itaosy akory ilay zazavavy kely nofisahan'ny kamiao noho ny hateren'ny lalana. Ny antony moa dia feno mpivarotra ny trotoirs. Nihafihafy be ilay zaza,hono, niaraka tamin'ny reniny nadeha tamin'ny sisin'ny trotoir. Nibolisatra tampoka anefa ilay zaza ary tonga dia ny tratrany manontolo no notetezin'ilay kamiao. Ny sary entiko aminao indray anefa dia taxibe 163 nirimorimo vao maraina ka nandona olona teo Ambatomitsangana. Tsy io irery no manao toy izany fa rehefa taxiben'Antananarivo. Maika ny hanenjika mpandeha sy tsy te ho maty tour. Angamba navesatra mihitsy ho an'ilay olona sy ny fianakaviany ny nieritreritra hoe, hivoaka hamonjy asa no anton-dia,nefa hopitaly no nivantanana. Mba rahoviana no ho voaaro izahay mpandeha an-tonotra e? Indrindra fa izahay mandeha amin'iny lalan'Antanimena iny?
Gaga be aho nahita raiamandreny sy zanaka miresaka. Resaka tsotra mihitsy an. Tsy misy tezitra fa toy ireny olona mifanakalo hevitra ireny, nefa dia toy ny rano midina ny teny ratsy ampiasain'izy telo mianaka. Asa izay mitranga raha sanatria ao anaty hatezerana ireto olona ireto no miresaka fa tena tsy zakan'ny mpifady henoina ny fomba firesany. Dia mikororosy tokoa ny fianakaviana raha toy ireny an!
Manana trano ao Ambohimandroso Ambohimanarina ny raiamandreniko. Tsy tiako loatra anefa ny mandeha lava any noho ny fahitako ny fahorian'ireo ankizy mipetraka manodidina ny tanananay. Tsy mba misy rano fisotro tonga mantsy ao, no sady koa tsy mba misy fivoahan-drano maloto (évacuation). Indray andro niresaka momba izany tamin'ny lehiben'ny Fokontany i Dada, satria hanao lalankely teny an-toerana ny projet Seecaline. Natsipin'i Dada taminy ny tokony hanararaotana io asa io indray mandeha tonga dia sady lalankely no asiana tatatra fanariana rano maloto amin'ny sisiny. Dia namaly ingahy filoham-pokontany fa aleo ho asa manaraka izany, fa tsy atao amin'ity indray mitoraka ity. Tezitra be i Dada fa tsy nety resy lahatra mihitsy ilay iraika lahy. Hoy mantsy i Dada mantsy azy:" dia aleonao izany ny Fokontany iadidiana tsy handroso toy izao foana? Jereo anie fa lany andro mandeha mantsaka ny ankizy sy ny vehivavy , rehefa maraina e! Dia mitaona ny rano maloto nangonina nandritry ny andro indray rehefa hariva. Mihena ny fotoana ahafahana mikarakara tokantrano sy manao fianarana. Ferana koa ny fandaniana rano, dia mitombo ho azy ny loto, sy ny tsy fahasalamana mazava ho azy. Izany ve no Fokontany tianao holovain'ny taranaka? Mba mieritrereta rangahy ity ah!" Dia namaly tsotra ingahy filoha fa aleo,hono, hataon'ny ao aoriana fa manjary tsy misy asa atao intsony.
Mba rahoviana re vao hivoatra Ambohimandroso Ambohimanarina e? Jereo anie ireto sary asehoko anao manaraka ireto e! Feno loto ny tanana, mifanakaiky ny fanariam-pako sy ny fivarotana ary ny hotely kely madinidinika isan-karazany
Nefa na dia izany aza, mbola miezaka ny hitsiky ihany ny kilonga Malagasy kelinay
Ntsôôôôô reto izy handeha hilahatra rano eny amin'ny paompin-drano iraisana. Anjaranao mamaky no mijery ny halavan'ny laharana sy ny isan'ny seaux mifanosontsosona eo